LIENS UTILES





🗓️ 15 𝘴𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯'𝘯𝘺 31 𝘰𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2025,



👥 Hisy ny fihaonan'ireo 𝗗𝗲𝗹𝗲𝗴𝗮𝘀𝗶𝗼𝗻'𝗻𝘆 𝗖𝗼𝗻𝘁𝗿ô𝗹𝗲 𝗙𝗶𝗻𝗮𝗻𝗰𝗶𝗲𝗿 amin’ireo ''𝗔𝗰𝘁𝗲𝘂𝗿𝘀 𝗕𝘂𝗱𝗴é𝘁𝗮𝗶𝗿𝗲𝘀' izay misehatra eo amin’ny fitantanam-bolam-panjakana eny anivon’ireo Andrim-panjakana, Minisitera, ary Antokon-draharaham-panjakana.

_____ Ity hetsika fanaon’ny Contrôle Financier isan-taona ity dia mifandraika amin’ny andraikitra maha '𝗖𝗼𝗻𝘀𝗲𝗶𝗹𝗹𝗲𝗿 𝗙𝗶𝗻𝗮𝗻𝗰𝗶𝗲𝗿' _ mpanolotsaina azy eo amin’ny lafin’ny famolavolana sy fanatanterahana ny tetibolam-panjakana, ankoatry ny maha mpanara-maso ny fitantanam-bolam-panjakana azy, araka ny voalazan’ny 𝘓𝘢𝘭à𝘯𝘢 𝘭𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘩𝘢 2016-009 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 22 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2016

𝗜𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗳𝗼𝘁𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮

📍__ Fanamafisana amin’ireo ‘Acteurs Budgétaires’ ireo dingana amin’ny fanatanterahana ny fandaniam-bolam-panjakana, mba hiantohana fa mifanaraka amin’ny lalàna sy fitsipika manan-kery izany.

📍__ Fanaovana jery todika ny zava-bita sy izay mety lesoka nitranga mba hampitoviana ny fomba fijery sy ny fomba fiasa eo amin’ny roa tonta, ho fanafainganana ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana sy ho fanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana.

📍__ Fandrindrana ny fanaraha-maso aloha sy aoriana sahanin'ny Contrôle Financier