LIENS UTILES





𝐶𝑙𝑢𝑏 𝑅𝑒́𝑔𝑖𝑜𝑛𝑎𝑙 𝑑𝑒 𝑙𝑎 𝐺𝑒𝑠𝑡𝑖𝑜𝑛 𝑃𝑢𝑏𝑙𝑖𝑞𝑢𝑒 (𝐶𝑅𝐺𝑃) _ 𝑉𝑜𝑛𝑑𝑟𝑜𝑛𝑎 𝐼𝑟𝑎𝑖𝑠𝑎𝑚-𝑝𝑎𝑟𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑚𝑜𝑚𝑏𝑎 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑚-𝑝𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎𝑛𝑎 𝑣𝑜𝑎𝑙𝑜ℎ𝑎𝑛𝑦 ℎ𝑜 𝑎𝑛'𝑛𝑦 𝑑𝑖𝑠𝑡𝑟𝑖𝑘𝑎𝑛'𝑖 𝑆𝑎𝑖𝑛𝑡𝑒 𝑀𝑎𝑟𝑖𝑒 __ 25 𝑀𝑎𝑟𝑡𝑠𝑎 2025



📌 Nandray anjara tamin'izany ny avy eo anivon'ny 'Poste du Contrôle Financier' Sainte Marie, izay vao nosokafana ny volana Febroary 2025 teo.

👉 Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nampatsiahivin'ny Chef de Poste du Contrôle Financier, Andriamatoa HARINARINDRA Arnauld, tamin'ireo mpisehatra amin'ny fitantanam-bolam-panjakana tonga nanatrika ny fotoana, ireo anjara asan'ny Contrôle Financier.

👉 Nizara ireo didy aman-dalàna sy fepetra manan-kery na nasiam-panovana, izay mifandraika amin’ny asa fanaraha-maso ataon'ny Contrôle Financier ary voarakitra ao anatin'ny '𝘊𝘪𝘳𝘤𝘶𝘭𝘢𝘪𝘳𝘦 𝘥'𝘌𝘹𝘦́𝘤𝘶𝘵𝘪𝘰𝘯 𝘉𝘶𝘥𝘨𝘦́𝘵𝘢𝘪𝘳𝘦' 𝘊𝘌𝘉 2025 ihany koa ny tenany.

__ Tanjona amin'izany fampahafantarana izany ny hanafainganana hatrany ireo fanaraha-maso ataon'ny Contrôle Financier.