LIENS UTILES





𝐹𝐴𝑅𝐼𝑇𝑅𝐴 𝐴𝑁𝑂𝑆𝑌 __ 𝐹𝑖ℎ𝑎𝑜𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑡𝑒𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝐷𝑒́𝑙𝑒́𝑔𝑎𝑡𝑖𝑜𝑛 𝑅𝑒́𝑔𝑖𝑜𝑛𝑎𝑙𝑒 𝑑𝑢 𝐶𝑜𝑛𝑡𝑟𝑜̂𝑙𝑒 𝐹𝑖𝑛𝑎𝑛𝑐𝑖𝑒𝑟 #𝐷𝑅𝐶𝐹_𝐴𝑁𝑂̂𝑆𝑌 𝑠𝑦 𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑚𝑝𝑖𝑠𝑒ℎ𝑎𝑡𝑟𝑎 𝑒𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑚-𝑏𝑜𝑙𝑎𝑚-𝑝𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 19, 20 𝑎𝑟𝑦 21 𝑀𝑎𝑟𝑡𝑠𝑎 𝑙𝑎𝑠𝑎 𝑡𝑒𝑜



👉 Niompana tamin'ny fanampim-panazavana sy fanamafisana nentin'ny DRCF_ANOSY mahakasika ny haikaontim-panjakana (Compatibilité Publique) izay nifototra sy notsoahina avy tao amin'ny didim-panjakana laharana faha 2005-003 ny fotoana. Izany moa dia amin'ny maha mpanoro hevitra ny Contrôle Financier eo amin'ny lafin'ny fitantanana ny volam-panjakana (𝐶𝑜𝑛𝑠𝑒𝑖𝑙𝑙𝑒𝑟 𝐹𝑖𝑛𝑎𝑛𝑐𝑖𝑒𝑟) sy nohon'ny fahatsapan'ny DRCF_ANOSY fa marefo ny fampiharana ny didy aman-dalàna manankery mahakasika ny fandaniam-bolam-panjakana ka mety hanohintohina ny fizotran'ny fanatanterahana ny fandaniana miompana amin'ny tetibola sy ireo fanaraha-maso ataon'izy ireo.

👉 Izao finiavana izao dia mitondra amin'ny fametrahana fanjakana tsara tantana sy fampiharana ny fanamby napetraky ny Contrôle Financier: "𝐹𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎ℎ𝑎-𝑚𝑎𝑠𝑜 𝑛𝑦 𝑣𝑜𝑙𝑎𝑚-𝑝𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜𝑠𝑜𝑎𝑛𝑎"

👉 Marihana fa tonga nanome voninahitra ny fanokafana sy ny famaranana ny fotoana hatrany ny solontenan'ny lehiben'ny fileovana ao Taolagnaro.