LIENS UTILES





Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny '𝗣𝗼𝘀𝘁𝗲 𝗱𝗲 𝗖𝗼𝗻𝘁𝗿ô𝗹𝗲 𝗙𝗶𝗻𝗮𝗻𝗰𝗶𝗲𝗿' ao 𝗦𝗮𝗶𝗻𝘁𝗲 𝗠𝗮𝗿𝗶𝗲.



Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy androany alarobia 26 febroary 2025 ny '𝗣𝗼𝘀𝘁𝗲 𝗱𝗲 𝗖𝗼𝗻𝘁𝗿ô𝗹𝗲 𝗙𝗶𝗻𝗮𝗻𝗰𝗶𝗲𝗿' ao 𝗦𝗮𝗶𝗻𝘁𝗲 𝗠𝗮𝗿𝗶𝗲.

📌 Teny an-toerana ny Tale Jeneralin'ny Contrôle Financier, Andriamatoa RASAHAVELO, izay notronin'ireo tompon'andraikim-panjakana na ireo solontenany avy, ireo mpisehatra amin'ny volam-panjakana ary ny mpiara-miasa avy eto amin'ny Contrôle Financier.

📌 Tafiditra indrindra amin'ny fanamby napetrakin'ny Contrôle Financier amin'ny hanatsarana hatrany ny fanaraha-maso ny fitantanam-bolam-panjakana moa izao fanokafana ny Poste de Contrôle Financier ao Sainte Marie izao, satria dia afaka misitraka raharaha avy hatrany ao an-toerana ireo sampandraharaham-panjakana sy ny Commune Urbaine Sainte Marie, raha voatery niampita rano namonjy tany Fenerive-Est teny anivon'ny Delegasionim-paritry ny Contrôle Financier Analanjirofo izy ireo teo aloha.