LIENS UTILES





Faritra ATSIMO ANDREFANA __ Akon'ny hetsika '65 taona DGCF' fampahafantarana ny Contrôle Financier



𝘈𝘭𝘢𝘬𝘢𝘮𝘪𝘴𝘺 19 𝘥𝘦𝘴𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2024 ___ Notontosaina tao amin'ny 'Maison des Finances' ny fanokafana ofisialy ny fankalazana ny faha 65 taonan’ny Contrôle Financier ho an'ny faritra. Nanatrika ny lanonana izay nomarihana tamin'ny famelabelarana sy fifanakalozan-kevitra niompana tamin'ny fampahafantarana ny Contrôle Financier ireo tompon’andraikitra ambony sivily sy miaramila, nahitana ny Governoran’ny faritra Atsimo Andrefana, ny solotenan'ny Préfet ary ny Ben’ny tanànan'i Toliara.

𝘡𝘰𝘮𝘢 20 𝘥𝘦𝘴𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2024 ___ Varavarana misokatra ho an'ny daholobe, nanasana manokana ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony sy ireo mpandraharaha ara-ekonomika no namaranan'ny avy ao amin'ny Délégation Régionale du Contrôle Financier #DRCF_ATSIMOANDREFANA, izay tarihan'Andriamatoa TATA Fulgence, ny hetsika.

📌 Tratra ny tanjona dia ny fanatonana ny vahoaka sy ireo mpikirakira ny volam-panjakana isam-paritra ho fampahafantarana ireo asa sahanin'ny Contrôle Financier, ny fomba fiasany ary ny anjara biriky entiny ho fampandrosoana ny firenena.