𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 FITOVINANY ___ 𝐀𝐤𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 '𝟔𝟓 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐃𝐆𝐂𝐅' 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐟𝐚𝐧𝐭𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ô𝐥𝐞 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫
𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐅𝐈𝐓𝐎𝐕𝐈𝐍𝐀𝐍𝐘 👥 ____ Anjaran’ny Faritra FITOVINANY no nampiantrano ny varavarana misokatra mitety faritra hanamarihana ny faha 65 taona nijoroan’ny Contrôle Financier, nanomboka ny alarobia 20 novambra 2024 ary naharitra hateloana.
📌 Nanome voninahitra ny lanonam-panokafana notanterahina teo anivon'ny biraon'ny Délégation Régionale du Contrôle Financier #DRCF_FITOVINANY ireo olo-manan-kaja maro sivily sy miaramila nasaina, izay notarihan’ny Governoran’ny Faritra Fitovinany, ny Prefet mpisolo toerana ary ny Ben’ny Tananan’i Manakara.
📌 Nisongadina hatrany ny maha zava-dehibe ity varavarana misokatra ity, izay natao hampahafantarana ny adidy aman’andraikitra nankinina tamin'ny Controle Financier
______ Fampahafantarana izay noentin'ny avy ao amin'ny #DRCF_FITOVINANY tarihan'Andriamatoa RAVELOJAONA Mamy Lalaina, tamin'ny fandraisana ireo mpitsidika marobe, nahitana mpiasam-panjakana, olon-tsotra, mpianatra ary mpandraharaha ekonomika izay tsapa fa tena liana hahafantatra ny Contrôle Financier!

