𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 VATOVAVY ___ 𝐀𝐤𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 '𝟔𝟓 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐃𝐆𝐂𝐅' 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐟𝐚𝐧𝐭𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ô𝐥𝐞 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫
𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗩𝗔𝗧𝗢𝗩𝗔𝗩𝗬 👥 ____ Notontosaina tao amin’ny birao malalaky ny Délégation Régionale du Contrôle Financier #DRCF_VATOVAVY ny 20, 21 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 22 𝘯𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2024 ny varavarana misokatra izay mifandraika amin’ny fankalazana ny faha 65 taona nijoroan’ny Contrôle Financier.
📌 Nanome voninahitra ny lanonam-panokafana Andriamatoa Governoran’ny faritra VATOVAVY sy Ramatoa Sekretera Jeneralin’ny Prefektiora, notronin’ireo tompon’andraiki-panjakana maro ary ireo mpikirakira ny volam-panjakana any an-toerana.
📌 Novelabelarin-dRamatoa RASOAVOAHANGIARILALA Heriniaina Jeanine, Delegen’ny Contrôle Financier mpisolo toerana, tamin’izany ny fampahafantarana ny Contrôle Financier, ny fomba fiasany, ary ny anjara biriky entiny ho fampandrosoana ny faritra VATOVAVY.
Noho ity farany izay faritra zandriny vao natsangana, dia tsapa fa tena nahaliana ny maro ny fisian’ny hetsika fanantonana ny vahoaka toy izao.
📌 Na efa tapitra aza ny hetsika, dia mitondra hatrany ny traik’efa ananany ny #DRCF_VATOVAVY hanatsarana ny asany mba hanomezana fahafaham-po ireo mila raharaha eo anivon’izy ireo.

