𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 ANALANJIROFO ___ 𝐀𝐤𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 '𝟔𝟓 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐃𝐆𝐂𝐅' 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐟𝐚𝐧𝐭𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ô𝐥𝐞 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫
Notanterahina ny 16 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯'𝘯𝘺 18 𝘰𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2024 ny hetsika fankalazana ny faha 65 taona nijoroan'ny Contrôle Financier ho an'ny faritra ANALANJIROFO.
Nanamarihan’ny avy ao amin'ny Délégation Régionale du Contrôle Financier #DRCF_ANALANJIROFO izay tarihan'Andriamatoa ANDRIANIRINA Patrice izany ny :
👉Famelabelarana narahina fifanakalozan-kevitra #ConférenceDébat notarihan'Andriamatoa Préfet an'i Fenoarivo Atsinanana sy Ramatoa Governoran'ny faritra mpisolo toerana, natrehan'ireo manampahefana sivily sy miaramila ary ireo mpisehatra amin'ny fitantanam-bolam-panjakana any an-toerana, narahina 👉 #VaravaranaMisokatra ho an’ny daholobe.
📌Tsiahivina fa tanjona fototra napetraka mandritra ny fankalazana ny faha 65 taonan'ny DGCF amin'ity taona 2024 ity ny fampahafantarana ny Contrôle Financier sy ny anjara biriky entiny ho fampandrosoana ny firenena.

