𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 BOENY ___ 𝐀𝐤𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 '𝟔𝟓 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐃𝐆𝐂𝐅' 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐟𝐚𝐧𝐭𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ô𝐥𝐞 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫
𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐁𝐎𝐄𝐍𝐘 👥 ____ 𝙰𝚕𝚊𝚝𝚜𝚒𝚗𝚊𝚒𝚗𝚢 𝟿 𝚜𝚎𝚙𝚝𝚊𝚖𝚋𝚛𝚊 - 𝚉𝚘𝚖𝚊 𝟷𝟹 𝚜𝚎𝚙𝚝𝚊𝚖𝚋𝚛𝚊 𝟸𝟶𝟸𝟺, Anjaran'ny Faritra BOENY indray no nisitraka ny hetsika 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐯𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐬𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 ho fanamarihana ny fankalazana ny faha 65 taona nijoroan'ny 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ô𝐥𝐞 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫 amin'ity taona 2024 ity.
Teny amin’ny ‘Hôtel de ville’ sy ny ‘Maison des Finances’ Boeny no nanatanterahan’ny avy ao amin'ny Délégation Régionale du Contrôle Financier #DRCF_BOENY , izay tarihan'Andriamatoa Bahia RASOLO, ireo varavarana misokatra nentina nampahafantarana ny 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ô𝐥𝐞 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫 sy ireo asa sahaniny, ny fomba fiasany ary ny anjara biriky entiny ho fampandrosoana ny firenena.
Anisan'ireo tonga nanotrona izao hetsika izao moa ireo tompon'andraikitry ny Foibem-pitondrana ara-paritra eo anivon'ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola eny an-toerana.

