𝐏𝐨𝐥𝐢𝐭𝐢𝐤𝐚 𝐀𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧𝐲 𝐈𝐚𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐊𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐞𝐤𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐦-𝐛𝐨𝐥𝐚/𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ô𝐥𝐞 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫 __ DRCF ATSINANANA
Araka ny voasoritra ao amin'ny ‘𝐏𝐨𝐥𝐢𝐭𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧𝐲 𝐢𝐚𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲 - 𝟐𝟎𝟐𝟒’ eo anivon’ny Contrôle Financier dia anjaran’ny Delegasionim-paritry ny Contrôle Financier #DRCF_ATSINANANA indray no nisitraka ny atrikasa niarahana amin’ny Birao Mahaleotena Iadiana amin’ny Kolikoly (BIANCO) ny alarobia 11 septambra 2024 teo.
✔️ Anisan'ny nivoitra nandritra ny atrikasa ny fampahafantarana ireo fandikan-dalàna kolikoly araka ny lalàna 2016-020 sy ireo endrika kolikoly matetika mitranga any amin’ny faritra Atsinanana.
✔️ Nanamarika manokana ny fotoana kosa ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifampizarana ireo fomba fanao tsara teo amin’ny roa tonta izay nifanolo-tanana ny handrindrana ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny #DRCF_ATSINANANA

