𝐏𝐨𝐥𝐢𝐭𝐢𝐤𝐚 𝐀𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧𝐲 𝐈𝐚𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐊𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐞𝐤𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐦-𝐛𝐨𝐥𝐚/𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ô𝐥𝐞 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫 __ DRCF HAUTE MATSIATRA
👥 Tontosa ny alarobia 4 septambra 2024, tao amin'ny trano fivorian'ny « Maison des Finances » ao Beravina Fianarantsoa ny atrikasa ho fanamafisana ny fiaraha-miasa amin'ny ady amin'ny kolikoly izay niarahan'ny Birao Mahaleotena Iadiana amin’ny Kolikoly (BIANCO) ao Fianarantsoa sy ny avy eo anivon'ny Delegasionim-paritry ny Contrôle Financier #DRCF_HAUTEMATSIATRA.
👉 Nifanentana moa ny roa tonta ny hifampizara vaovao raha misy trangana kolikoly araka ny tandrify azy avy, mba ho fampiharana ny fifanaraham-piaraha-miasa misy eo amin'ny BIANCO sy ny CONTRÔLE FINANCIER izay tsiahivina fa nosoniavina ny volana oktobra 2023.

