𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 BONGOLAVA ___ 𝐀𝐤𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 '𝟔𝟓 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐃𝐆𝐂𝐅' 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐟𝐚𝐧𝐭𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ô𝐥𝐞 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫
Notanterahina ny 𝘵𝘢𝘭𝘢𝘵𝘢 13 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2024 teo ny hetsika fankalazana ny faha 65 taona nijoroan'ny Contrôle Financier ho an'ny faritra BONGOLAVA.
Famelabelarana arahina fifanakalozan-kevitra #ConférenceDébat sy varavarana misokatra izay natrehan'ireo tompon'andraikim-panjakana sy mpisehatra amin'ny fitantanam-bolam-panjakana any an-toerana no nanamarihan'ny avy ao amin'ny Délégation Régionale du Contrôle Financier #DRCF_BONGOLAVA izay tarihan'Andriamatoa RAKOTONIAINA Solofo Haja izany.
Araka ny tanjona fototra napetraka mandritra ny fankalazana ny faha 65 taonan'ny DGCF amin'ity taona 2024 ity moa dia nivoitra hatrany nandritra ny hetsika ny fampahafantarana ny Contrôle Financier 🇲🇬 sy ny anjara biriky entiny ho fampandrosoana ny firenena.

