LIENS UTILES





𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 ITASY___ 𝐀𝐤𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 '𝟔𝟓 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐃𝐆𝐂𝐅' 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐟𝐚𝐧𝐭𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ô𝐥𝐞 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫



Anjaran'ireo 𝐝𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐭𝐞𝐥𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐈𝐓𝐀𝐒𝐘 indray no nisitraka ireo 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐯𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐬𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 izay nokarakarain'ny avy ao amin'ny Délégation Régionale du Contrôle Financier #DRCF_ITASY izay tarihan'i Ramatoa RASOAMANANJARA Zoely Harilala.


Izany moa dia mifandraika hatrany amin'ny fampahafantarana ny 𝐂𝐎𝐍𝐓𝐑𝐎𝐋𝐄 𝐅𝐈𝐍𝐀𝐍𝐂𝐈𝐄𝐑 🇲🇬 ao anatin'ny fankalazana ny faha 65 taona nijoroany amin'ity taona 2024 ity.


Tao amin'ny distrikan'i Miarinarivo no nanombohana ny hetsika sy nanokafana ny fotoana tamin'ny fomba ofisialy ny talata 6 aogositra 2024 teo, izay teo ambany fitarihan'Andriamatoa Préfet. Tonga nanome voninahitra ny hetsika ihany koa Andriamatoa Governora mpisolo-toerana sy ny Ben'ny tanànan'ny Miarinarivo.


Nitohy tany amin'ny distrikan'i Soavinandriana ny varavarana misokatra ny alarobia 7 aogositra 2024.

Nofaranana tao amin'ny distrikan'Arivonimamo ny hetsika izay niarahana hatrany tamin'ny Ben'ny tanàna.