LIENS UTILES





𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 MATSIATRA AMBONY ___ Famelabelarana arahina fifanakalozan-kevitra #Conférence_Débat tafiditra ao anitn'ny hetsika '65 taona DGCF' ho fampahafantarana ny Contrôle Financier sy ny asa sahaniny. Izay nokarakarain'ny avy eo anivon'ny Délégation Régionale du Contrôle Financier #DRCF_MatsiatraAmbony tarihan'ny delegem-paritra Andriamatoa RAKOTOMALALA Miharisoa Lanto.



📍 ___ 𝐓𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐟𝐢𝐯𝐨𝐫𝐢𝐚𝐧'𝐧𝐲 '𝐇ô𝐭𝐞𝐥 𝐝𝐞𝐬 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐞𝐬'


𝑻𝒂𝒍𝒂𝒕𝒂 𝟗 𝒋𝒐𝒍𝒂𝒚 𝟐𝟎𝟐𝟒, nanasana ireo mpiantsehatra eo amin'ny lafin'ny fitantanam-bolam-panjakana eny amin'ireo 'Collectivités Territoriales Décentralisées' (CTD), 'Services Techniques Décentralisés' (STD) ary 'Etablissements Publics Nationaux' (EPN). Ny solontenan'Andriamatoa isany Gouverneur Matsiatra Ambony sy Préfet moa no nanokatra tamin'ny fomba ofisialy izany fotoana izany.


𝑨𝒍𝒂𝒓𝒐𝒃𝒊𝒂 𝟏𝟎 𝒋𝒐𝒍𝒂𝒚 𝟐𝟎𝟐𝟒, nitohy tamin'ny fihaonana niarahana tamin'ireo mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo Andrainjato (ambaratonga Master II, sampana Droit- Economie-Gestion) ny famelabelarana narahina adihevitra.


𝑨𝒍𝒂𝒌𝒂𝒎𝒊𝒔𝒚 𝟏𝟏 𝒋𝒐𝒍𝒂𝒚 𝟐𝟎𝟐𝟒, nofaranana tamin'ny fihaonana niarahana tamin'ireo sokajin'olona tsy ankanavaka, izay nahitana indrindra ireo mpandraharaha ara-toekarena ny hetsika.