𝐃𝐑𝐂𝐅 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐘 👥
Ao anatin'ny fanatanterahana ny asa fanaraha-maso sahanin'ny Délégation Régionale du Contrôle Financier #DRCF_ANDROY, dia niompana tamin'ny fanazavana ireo fe-potoana tokony hajaina amin'ny fandraiketana tsenam-baro-panjakana √ sy ny fanentanana ireo 'Service Opérationnel d'Activités' (SOA) mba hampiasa ny 'comptabilité des matières' √ ny famelabelarana nentin'ny delegem-paritra Andriamatoa RANOMENJANAHARY Fernand, nandritra ny fivorian'ny 𝐕𝐨𝐧𝐝𝐫𝐨𝐧𝐚 𝐈𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 | 𝐂𝐥𝐮𝐛 𝐑é𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐆𝐞𝐬𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐏𝐮𝐛𝐥𝐢𝐪𝐮𝐞 (𝐂𝐑𝐆𝐏) ho an’ny telovolana faharoa 2024.
Nisy ny fotoana manokana izay niompana tamin'ny fampiofanana mahakasika ny tenimita mifehy ny tsenam-baro-panjakana ho an’ny taona 2024. Izany moa dia niarahana nisalahy tamin'ireo ratsamangaikan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola any an-toerana.


