𝐃𝐑𝐂𝐅 𝐌𝐄𝐋𝐀𝐊𝐘 / 𝐌𝐏𝐈𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐓𝐒𝐄𝐍𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐑𝐎-𝐏𝐀𝐍𝐉𝐀𝐊𝐀𝐍𝐀
Nisy ny 𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤'𝐚𝐬𝐚 𝐟𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐤𝐚𝐥𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 mahakasika 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐞𝐧𝐚𝐦-𝐛𝐚𝐫𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 sy 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚 𝐦𝐢𝐭𝐫𝐚𝐧𝐠𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐦𝐞𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐕𝐈𝐒𝐀 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐧-𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐫𝐚𝐭𝐚𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐤𝐞𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐬𝐞𝐧𝐚𝐦-𝐛𝐚𝐫𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚, izay nokarakarain’ny Délégation Régionale du Contrôle Financier #DRCF_MELAKY niarahana tamin’ireo mpisehatra eo amin’ny tsenam-baro-panjakana any amin'ny faritra ny alakamisy 16 sy zoma 17 mey 2024 teo.

Tanjona napetraky ny delegem-paritry ny Contrôle Financier Andriamatoa RAMANANJARA Ndriatsarafara sy ireo mpiara-miasa aminy tamin’ny alalan’izany hetsika izany ☑️ ny hampihenana ny ‘rejet’ na fandavanana ny fanomezana VISA an’ireo antontan-taratasy tonga eny anivon’ny #DRCF_Melaky ary ☑️ ny fizarana vaovao mba hanamafisana sy hampitoviana ny fahaiza-manao eo amin'ireo mpisehatra rehetra any amin’ny faritra.


