LIENS UTILES





'𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ô𝐥𝐞 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐥𝐞 𝐃é𝐯𝐞𝐥𝐨𝐩𝐩𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭' ___ 👥 '𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀𝐊𝐎 𝐑𝐀𝐇𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐒𝐎'



Nandray anjara tamin'ny hetsika "𝐍𝐲 𝐚𝐬𝐚𝐤𝐨 𝐫𝐚𝐡𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐬𝐨" ny avy eto amin’ny Direction Générale du Contrôle Financier Madagascar. Hetsika izay nentina nampahafantarana amin'ny mpianatra Malagasy ireo sehatr’asa misy eto Madagasikara.


Ramatoa RAFANOMEZANA Naomy, mpanara-maso eto anivon'ny DGCF, no nitondra fanazavana mahakasika ny tontolon'ny asa fanaraha-maso ny fitantanam-bolam-panjakana tamin’ireo mpianatry ny 'Lycée Nanisana'

Nahaliana tanteraka ireo mpianatra ny famelabelarana izay natao ary tsy nisalasala nametraka fanontaniana mahakasika ny Contrôle Financier izy ireo.

Mpikarakara: Rotary Club AINGA / Daty: Alarobia 10 aprily 2024