LIENS UTILES





DRCF_ANOSY Fanatsarana ny fomba fiasa anatiny.



𝑬𝒏𝒕𝒊𝒏𝒂 𝒉𝒂𝒏𝒂𝒕𝒔𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂𝒏𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒎𝒃𝒂 𝒇𝒊𝒂𝒔𝒂 eo anivon’ny Délégation Régionale du Contrôle Financier #DRCF_ANOSY mba 𝒉𝒂𝒉𝒂𝒇𝒂𝒉𝒂𝒏'𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒎𝒑𝒊𝒍𝒂 𝒓𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒎𝒊𝒔𝒊𝒕𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒌𝒂𝒍𝒊𝒕𝒂𝒐𝒏'𝒂𝒔𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒆𝒏𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒕𝒐𝒌𝒐𝒏𝒚 𝒉𝒐 𝒊𝒛𝒚 𝒂𝒓𝒚 𝒉𝒊𝒂𝒅𝒊𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒌𝒐𝒍𝒊𝒌𝒐𝒍𝒚

👉 dia nitondra fiofanana anatiny mahakasika ireo fitsipi-pitondran-tena takiana amin’ny mpiasam-panjakana araka ny voalaza ao amin'ny didim-panjakana mifehy izany, ho an'ireo mpiara-miasa aminy ny delegem-paritry ny Contrôle Financier, Andriamatoa RANAIVOJAONA Solo.

👌 nisongadina tamin’izany ny fampatsiahivana ireo fihetsika sy fanao takiana amin’izy ireo eo am-panatanterahana ny asa fanaraha-maso sahanin’izy ireo, ary ny fitandroana ny hasin’izany asa izany.

Tsy nanadino ny nanavao ireo toro-lalana enti-miasa na “standards de service” eo anivon’ny DRCF izy ireo, toy ny fanatsarana ny vata fandraisan-kevitra sy fitarainana ary ny fanavaozana ny fanoroana ny misy ireo birao hatonina.