𝐃𝐑𝐂𝐅 𝐌𝐄𝐋𝐀𝐊𝐘 __ 𝐃𝐢𝐧𝐢𝐤'𝐚𝐬𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐂𝐓𝐃 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐒𝐓𝐃
Nisy ny dinik'asa mahakasika ireo '𝐂𝐨𝐥𝐥𝐞𝐜𝐭𝐢𝐯𝐢𝐭é𝐬 𝐓𝐞𝐫𝐫𝐢𝐭𝐨𝐫𝐢𝐚𝐥𝐞𝐬 𝐃é𝐜𝐞𝐧𝐭𝐫𝐚𝐥𝐢𝐬é𝐞𝐬' (𝐂𝐓𝐃) sy '𝐒𝐞𝐫𝐯𝐢𝐜𝐞𝐬 𝐓𝐞𝐫𝐫𝐢𝐭𝐨𝐫𝐢𝐚𝐮𝐱 𝐃é𝐜𝐨𝐧𝐜𝐞𝐧𝐭𝐫é𝐬' (𝐒𝐓𝐃) izay nifanaovan'ny delegem-paritry ny Contrôle Financier Melaky, Andriamatoa RAMANANJARA Ndriatsarafara, sy ny avy ao amin’ny Trésorerie Générale Maintirano ny alarobia 20 martsa 2024, tao amin'ny biraon'ny Délégation Régionale du Contrôle Financier #DRCF_Melaky
Ankoatra ny fampitoviana ny fomba fijery mba ho fandrindrana hatrany ny fiaraha-miasa efa misy eo amin'ny roa tonta dia nisongadina ihany koa ny hanomezana fiofanana iraisana ho an'ireo 'acteurs budgétaires' eny anivon'ireo CTD sy STD any amin’ny faritra.

Tanjona amin'izany ny hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahalalan'izy ireo ny andinin-dalàna sy fepetra manan-kery amin'ny fikirakirana ireo anton-taratasy ilaina eo amin'ny lafin'ny fitantanana sy fampiasana ny volam-panjakana.


