LIENS UTILES





DRCF - 𝐂𝐥𝐮𝐛 𝐑é𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐆𝐞𝐬𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐏𝐮𝐛𝐥𝐢𝐪𝐮𝐞 (𝐂𝐑𝐆𝐏)



👥 Akon'ny fandraisan'anjaran'ireo 𝐃𝐞𝐥𝐞𝐠𝐚𝐬𝐢𝐨𝐧𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ô𝐥𝐞 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫 🇲🇬 | 𝐃é𝐥é𝐠𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐬 𝐑é𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐞𝐬 𝐝𝐮 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ô𝐥𝐞 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫 (𝐃𝐑𝐂𝐅) amin'ny fivorian'ny 𝐕𝐨𝐧𝐝𝐫𝐨𝐧𝐚 𝐈𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 | 𝐂𝐥𝐮𝐛 𝐑é𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐆𝐞𝐬𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐏𝐮𝐛𝐥𝐢𝐪𝐮𝐞 (𝐂𝐑𝐆𝐏) izay fotoana nihaonana tamin'ireo mpisehatra amin'ny fitantanam-bolam-panjakana isam-paritra ary samy niompana amin'ny ankapobeny tamin'ny Toro-làlana momba ny Fanatanterahana ny Teti-bola 2024 na ny 'Circulaire d'Exécution Budgétaire' 2024


👉 𝚝𝚊𝚕𝚊𝚝𝚊 𝟻 𝚖𝚊𝚛𝚝𝚜𝚊 𝟸𝟶𝟸𝟺, 𝐂𝐑𝐆𝐏 𝐈𝐓𝐀𝐒𝐘 tao amin'ny tranompokonolona Miarinarivo. Nandray anjara tamin'izany ny Delegem-paritry ny Contrôle Financier ITASY, Ramatoa RASOAMANANJARA Zoely Harilala, sy ny mpiara-miasa aminy


👉 𝚊𝚕𝚊𝚛𝚘𝚋𝚒𝚊 𝟼 𝚖𝚊𝚛𝚝𝚜𝚊 𝟸𝟶𝟸𝟺, 𝐂𝐑𝐆𝐏 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐘. Nandray anjara tamin'izany ny Delegem-paritry ny Contrôle Financier ANDROY, Andriamatoa RANOMENJANAHARY Fernand Olivier, sy ny mpiara-miasa aminy


👉𝚊𝚕𝚊𝚔𝚊𝚖𝚒𝚜𝚢 𝟽 𝚖𝚊𝚛𝚝𝚜𝚊 𝟸𝟶𝟸𝟺, 𝐂𝐑𝐆𝐏 𝐁𝐎𝐄𝐍𝐘 tao amin'ny trano malalaky ny 'Hôtel des Finances'. Nandray anjara tamin'izany ny Delegem-paritry ny Contrôle Financier BOENY, Andriamatoa RASOLO Bahia Guy de Princy, sy ny mpiara-miasa aminy.

Toy ny mahazatra dia nisy ny famaliana ireo fanontaniana samihafa avy amin'ireo mpisehatra amin'ny fitantanam-bolam-panjakana tonga marobe nanatrika ny fotoana.