LIENS UTILES





𝐁𝐈𝐀𝐍𝐂𝐎 - 𝐃𝐆𝐂𝐅 | 👥 𝐅𝐈𝐙𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐊𝐎𝐋𝐈𝐊𝐎𝐋𝐘



Tontosa ny alarobia 28 febroary 2024, tao amin'ny birao foiben'ny Contrôle Financier eo Faravohitra, ny fizaram-baovao fampahafantarana mahakasika ny 𝒕𝒐𝒏𝒕𝒐𝒍𝒐𝒏'𝒏𝒚 𝒂𝒅𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒌𝒐𝒍𝒊𝒌𝒐𝒍𝒚 izay nentin'ny avy ao amin'ny BIANCO ho an'ireo solontenan'ny mpiara-miasa na 'Points Focaux de la Lutte Contre la Corruption' eo anivon'ny Direction Générale du Contrôle Financier Madagascar


Tanjona tamin'izany moa ny fampitana amin'ireo 'Points Focaux' ireo ny tokony ho fantatra mahakasika ny kolikoly satria izy ireo tokoa no hanao ny fanentanana mivantana amin'ireo mpiara-miasa rehetra ao anatin'ny 'ady amin'ny kolikoly'