DELEGASIONAM-PARITRY NY CONTROLE FINANCIER AMORON'I MANIA - 'GROUPE TECHNIQUE ELARGI DES FINANCES PUBLIQUES' (GTEFP) AMORON'I MANIA
𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍'𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀 __ Ny Delegasionam-paritry ny Contrôle Financier Amoron'i Mania #DRCF_AMM izay tarihan'i Ramatoa RAHETLAH Vololona Oliva dia 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚 𝐟𝐞𝐧𝐨 amin'ireo asa sahanin'ny 'Groupe Technique Elargi des Finances Publiques' (GTEFP) Amoron'i Mania.

Anisan'ny dingana nirosoan'izy ireo ny fananganana ny « Groupe de Travail Régional d’Amoron’i Mania – GTR-AMM » nandritra ny fihaonana izay natao ny alarobia 14 febroary 2024 tao amin’ny biraon’ny Delegasionam-paritry ny Contrôle Financier.
Ny GTR - AMM moa no hisahana manomboka izao ny fandrindrana sy ny fanaraha-maso ny asa rehetra ao anatin'ny sehatry ny 'Fonds Commun de l'Education' (FCE) eny anivon'ny faritra Amoron'i Mania, ho fanatsarana ny rafi-panabeazana sy ny rafi-pampianarana ara-teknika ary arak'asa any amin'iny faritra iny.

